Vare ilako teny
ny anambara aminao
ny redareda ombieny
mandoro ahy amin’izao.
Ireto molotro
akaton-tsakodiavatra
mihitsy, tsy atolotro
hiorakoraka hafatra.
Tereko tsotr’izao
tsy hanimboraka ho anao
na fotsiny aza feo.
F’ity masoko mipitra
miantso mafy, tsiriritra
no ho vakiana fotsiny eo
Manatsiala