Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Ny poetako

Publié le 5 Octobre 2012 par RANAIVOSON Manatsiala

Tsia, tsy tontolo hafa akory
no hitoeran’ny Poeta
nefa
sarotra aminao ny manakatra
ny zavatra
raiketiny ao anaty
izay kajiany tsy ho faty
Satria ny hany mba talentany
tsy naleviny aman-tany
nokoloiny hatrany
tsy ho very, tsy ho lany

Tsia, tsy adala mihitsy akory
ireo lazaina ho Poeta
nefa
noho ny tsy fahaizanao mifehy
ny teny
avoakany soratany
Dia hainao ny mitsara fahatany
fa mifoka ahitry ny tany
ny hateloan’ireo
mpanoratra mitaky fikoloana
ny teny izay sakaizany.

Commenter cet article