Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Ny teny

Publié le 5 Octobre 2012 par RANAIVOSON Manatsiala

Raha toa ka alahelo
no ahafahako manaingo anao
ry teny izay lalaiko
Dia aleko alahelo foana
Haratra fo
hitomany fe mandavan-taona
Hahatsapan'ny maro
sy ireo vahiny izay mandalo
Fa sarobidy tokoa
ny loharano soa
tovozina avy aminao

MANATSIALA

Commenter cet article