Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Gasy ankehitriny

Publié le 5 Octobre 2012 par RANAIVOSON Manatsiala

Ianao mantsy ilay sahy manora-tena
Ho tena Malagasy
mirehaka miteny
Ho Malagasy ray sy reny
Fa angaha moa toa anao daholo ireny ?

Miteny ho’aho ianao
«Tsiparifary sy akotry
No manemitra mandrafitra
Izato teny hafa rafitra
Tsy tsotra tsy mivadi-drafitra

Tenim-boto sy zatovo
Sotaina sy hafangaro
tenin’ny vahiny
Dia sahinao lazaina ankehitriny
fa Gasy ianao iny ?

MANATSIALA

Commenter cet article